由于COVID-19和国际邮件服务中断,
我们暂时暂停了“免费印刷图书”的服务。
纸质书目前可在亚马逊上单独购买。(Kindle电子书也可下载)
Amin’ny fahafantarana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ihany, izay tena votoatin’ny Tabernakely, no ahafahantsika mahatakatra tsara sy mahafantatra ny valin’io fanontaniana io. Raha ny marina, ny kofehy manga, volomparasy ary mena ary ny rongony madinika voatenona teo am-bavahadin’ny kianjan’ny Tabernakely dia mampiseho amintsika ny asan’i Jesosy Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao izay namonjy ny olombelona.
Amin’izany fomba izany, ny Tenin’ny Tabernakely ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Tenin’ny Testamenta Vaovao dia mifandray akaiky sy azo antoka, toy ny rongony madinika voatenona.
Saingy, indrisy, ity fahamarinana ity dia efa ela no niafina tamin’ny mpitady fahamarinana rehetra ao amin’ny Kristianisma.
Rehefa tonga teto an-tany i Jesosy Kristy dia nataon’i Jaona batisa ary nandatsaka ny rany teo amin’ny Hazofijaliana.
Raha tsy mahatakatra sy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika, dia tsy hisy amintsika hahita ny fahamarinana naseho tao amin’ny Tabernakely mihitsy.
Tsy maintsy mianatra ity fahamarinana momba ny Tabernakely ity isika izao ary mino izany. Mila mahatsapa sy mino ny fahamarinana aseho amin’ny kofehy manga sy volomparasy ary mena ary ny rongony fotsy madinika tenona eo am-bavahadin’ny kianjan’ny Tabernakely isika rehetra.
SAMPLE PREVIEW