• 所有新生命宣教会 The New Life Mission 网站上的电子书和有声书均可免费下载
  • 探索以多种语言提供的全球性讲道
  • 查看我们已翻译成27种语言的网站
  • 第1卷新修订版已全新推出
Search

免费电子书和有声读物

会幕

NY TABERNAKELY:Sarintsarin’i Jesosy Kristy amin’ny antsipiriany (II)

马达加斯加语 10 作者 Rev. Paul C. Jong ISBN 9788928260379 页码 445

下载免费电子书和有声读物

选择您喜欢的文件格式,安全下载到手机、电脑或平板电脑,随时随地阅读和收听讲道集。所有电子书和有声读物都完全免费。

The number printed on the paperback cover and on Amazon is 马达加斯加语 10. You can also search by this number.
您可以通过下方播放器收听有声读物。🔻
📖 立即在线阅读
拥有平装书
在亚马逊购买平装书

纸质书目前可在亚马逊上单独购买。(Kindle电子书也可下载)

LOHAHEVITRA

Teny Fampidirana 
1. Isika tsy anisan’ireo izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana nohon’ny fahotantsika (Jaona 13:1-11)
2. Ny efitra lamba sy ny andrin’ny fitoerana masina (Eksodosy 26:31-37) 
3. Ireo afaka miditra ao amin’ny fitoerana Masina indrindra (Eksodosy 26:31-33) 
4. Ilay efitra lamba rovitra (Matio 27:50-53) 
5. Ny faladia volafotsy roa amin’ny lafin’ny roa amin’ny Tabernakely (Eksodosy 26:15-37) 
6. Ny zava-miafina aram-panahy miafina ao amin’ny fiaran’ny vavolombelona (Eksodosy 25:10-22) 
7. Ny fanatitry ny famelan-keloka natolotra teo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana (Eksodosy 25:10-22)
8. Ny latabatry ny mofo aseho (Eksodosy 37:10-16) 
9. Ny fanaovan-jiro volamena (Eksodosy 25:31-40) 
10. Ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra (Eksodosy 30:1-10)
11. Ilay Mpisoronabe Izay Nanome ny fanatitra tamin’ny Andro Fanavotana (Levitikosy 16:1-34) 
12. Ny zava-miafina efatra miafina ao amin’ny saron’ny Tabernakely (Eksodosy 26:1-14)
13. Jery todik’ireo mpamaky 
 
Ahoana no ahafahantsika mahita ny fahamarinana miafina ao amin’ny Tabernakely? Amin’ny fahafantarana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy irery ihany, ilay singa fototry ny Tabernakely, no ahafahantsika mahatakatra tsara ary mahalala ny valin’ity fanontaniana ity.
Ny marina, dia ny manga, ny volom-parasy, sy ny mena, ary ny rongony fotsy madinika eo am-bavahadin’ny kianjan’ny Tabernakely no maneho antsika ny asa fanompoan’I Jesosy Kristy aty amin’ny fotoanan’ny Testameta vaovao izay namonjeny ny olombelona. Arak’izany, ny teny momban’ny Tabernakely ao amin’ny Testameta taloha sy ny Teny ao amin’ny Testameta vaovao dia mifanakaiky sy tena mifandray tokoa, toy ny rongony fotsy madinika. Saingy mahonena, fa voa-afina hatry ny ela tamin’ireo mpikaroka fahamarinana ao amin’ny Kristianisma ity fahamarinana ity.
Tamin’ny nahatongavany teto an-tany, Jesosy Kristy dia nataon’I Jaona batisa ary nandatsaka ny ràny teo amin’ny Hazofijaliana. Raha tsy misy fahatakarana sy finoana ny filazantsaran’ny Rano sy ny Fanahy, dia tsy nisy tamintsika nahita ny fahamarinana aseho ao amin’ny Tabernakely. Tsy maintsy mianatra ity fahamarinan’ny Tabernakely ity isika izao ary mino izany. Mila mahalala sy mino ny fahamarinana amin’ny manga, volom-parasy, sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika eo amin’ny vavahadin’ny kianjan’ny Tabernakely isika.
更多