COVID-19及び国際郵便業務の中断により、
「無料の本のサービス」を一時的に停止しております。
お好みのファイル形式を選択し、モバイル端末、PC、タブレットに安全にダウンロードして、説教集をいつでもどこでも読んだり聴いたりすることができます。すべての電子書籍とオーディオブックは完全無料です。
Tao aorian’ny namakiako ny iray tamin’ireo bokin’ny ‘The New Life Mission’, dia nihanavesatra tato am-poko ny hetahetako ny fahamarinan’Andriamanitra. Ka izany no nahatonga ahy nikaroka boky hafa tamin’ireo, ka nahita ny boky mitondra ny lohateny hoe : « Moa ve efa nateraky ny Rano sy ny Fanahy indray Marina ianao ? » ary novakiako izany. Io boky io no nampahafantatra ahy ny fahamarinana izay mbola tsy fantatro hatrizay. Voalohany, lasa nahafantatra ny tena natiorako aho hoe Izaho dia nateraka ho Mpanota tokoa izay tsy afaka ny hahatratra ny Lanitra sy tsy afaka hitandrina ny Lalàn’Andriamanitra ary mendrika ny ho any amin’ny helo. ‘Marka 7 :21-23’. Saingy, soa ihany, fa nahita ny fahamarinan’Andriamanitra izay namonjy ahy tamin’ny fahotako rehetra aho tamin’ny alalan’ny Batisan’i Jesosy izay nanesorany ny fahotan’izao tontolo izao rehetra, anisan’izany ny ahy, ka nanao sorona ny ainy Izy tamin’ny nandatsahany ny ràny teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hanonerany ny tambin’ireo fahotana ireo, ary Nitsangana tamin’ny maty Izy mba hanome fiainam-baovao ho ahy. Isaorako Izy fa efa nanafaka ny hetahetako. Ary indindra indrindra, fantatro fa amin’ny lalàna no ahafahako mahalala ny tena natioram-pahafenoako fahotana, saingy amin’ny finoana ny asam-pahamarinan’i Kristy ‘ ny batisany, ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty’, no nahafahako ho tonga zanak’Andriamanitra tsy misy fahotana ary tena nateraky ny rano sy ny Fanahy indray marina aho. Haleloia.
SAMPLE PREVIEW